Main pages

Surah The Chargers [Al-Adiyat] in Malagasy

Surah The Chargers [Al-Adiyat] Ayah 11 Location Makkah Number 100

وَٱلۡعَـٰدِیَـٰتِ ضَبۡحࣰا ﴿1﴾

Mianiana Aho amin'ireo soavaly haingam-pandeha misefosefo.

فَٱلۡمُورِیَـٰتِ قَدۡحࣰا ﴿2﴾

Ary mamoaka pitik'afo avy amin'ny fidoboky ny kitrony.

فَٱلۡمُغِیرَ ٰ⁠تِ صُبۡحࣰا ﴿3﴾

Manafika tampoka amin'ny andro vao maraina.

فَأَثَرۡنَ بِهِۦ نَقۡعࣰا ﴿4﴾

Sy mampitora-jofo ny vovoka.

فَوَسَطۡنَ بِهِۦ جَمۡعًا ﴿5﴾

ary miditra eo afovoan'ny fahavalon'izy ireo.

إِنَّ ٱلۡإِنسَـٰنَ لِرَبِّهِۦ لَكَنُودࣱ ﴿6﴾

Tena marina, ny olombelona dia mpaniratsira ny Tompony.

وَإِنَّهُۥ عَلَىٰ ذَ ٰ⁠لِكَ لَشَهِیدࣱ ﴿7﴾

Kanefa izy dia tena vavolombelona tokoa ny amin'izany.

وَإِنَّهُۥ لِحُبِّ ٱلۡخَیۡرِ لَشَدِیدٌ ﴿8﴾

Ary fatra-pitia mafy ihany koa ny harena.

۞ أَفَلَا یَعۡلَمُ إِذَا بُعۡثِرَ مَا فِی ٱلۡقُبُورِ ﴿9﴾

Moa va tsy ho fantany rehefa hifokatra ireo izay ao am-pasana.

وَحُصِّلَ مَا فِی ٱلصُّدُورِ ﴿10﴾

Ary haseho miharihary izay rehetra nokobonin'ny fo.

إِنَّ رَبَّهُم بِهِمۡ یَوۡمَىِٕذࣲ لَّخَبِیرُۢ ﴿11﴾

Tena marina; ny Tompon'izy ireo amin'izany andro izany dia Mahalala tsara ny momba azy ireo.