Main pages

Surah The Calamity [Al-Qaria] in Malagasy

Surah The Calamity [Al-Qaria] Ayah 11 Location Makkah Number 101

ٱلۡقَارِعَةُ ﴿1﴾

Ilay mikotrokotroka !

مَا ٱلۡقَارِعَةُ ﴿2﴾

Inona moa ilay mikotrokotroka ?

وَمَاۤ أَدۡرَىٰكَ مَا ٱلۡقَارِعَةُ ﴿3﴾

Moa fantatrao va ilay mikotrokotroka ?

یَوۡمَ یَكُونُ ٱلنَّاسُ كَٱلۡفَرَاشِ ٱلۡمَبۡثُوثِ ﴿4﴾

Dia ilay andro hahatonga ny olona ho toin'ny lolo mielim-patrana.

وَتَكُونُ ٱلۡجِبَالُ كَٱلۡعِهۡنِ ٱلۡمَنفُوشِ ﴿5﴾

Sy ireo tendrombohitra ho toy ny volon'ondry voahety.

فَأَمَّا مَن ثَقُلَتۡ مَوَ ٰ⁠زِینُهُۥ ﴿6﴾

Ka ho an'izay mavesa-danja ny asa soa vitany.

فَهُوَ فِی عِیشَةࣲ رَّاضِیَةࣲ ﴿7﴾

Dia ho ao anatin'ny fiainam-pahasambarana feno fankasitrahana izy ireo !

وَأَمَّا مَنۡ خَفَّتۡ مَوَ ٰ⁠زِینُهُۥ ﴿8﴾

Fa ho an'izay maivan-danja kosa ny asa soa vitany.

فَأُمُّهُۥ هَاوِیَةࣱ ﴿9﴾

Ny lavaka mangitsongitsoka no fonenan'izy ireo.

وَمَاۤ أَدۡرَىٰكَ مَا هِیَهۡ ﴿10﴾

Moa va fantatrao izany lavaka mangitsokitsoka izany ?

نَارٌ حَامِیَةُۢ ﴿11﴾

Afo mivaivay izay tsy izy.