Main pages

Surah The Ranks [As-Saff] in Malagasy

Surah The Ranks [As-Saff] Ayah 14 Location Madinah Number 61

سَبَّحَ لِلَّهِ مَا فِی ٱلسَّمَـٰوَ ٰ⁠تِ وَمَا فِی ٱلۡأَرۡضِۖ وَهُوَ ٱلۡعَزِیزُ ٱلۡحَكِیمُ ﴿1﴾

Manome voninahitra an’I Allah avokoa izay any an-danitra sy ety an-tany, ary Izy no Ilay tsitoha, Ilay be fahendrena.

یَـٰۤأَیُّهَا ٱلَّذِینَ ءَامَنُوا۟ لِمَ تَقُولُونَ مَا لَا تَفۡعَلُونَ ﴿2﴾

Ianareo mpino ! Nahoana ianareo no milaza izay tsy ataonareo ?

كَبُرَ مَقۡتًا عِندَ ٱللَّهِ أَن تَقُولُوا۟ مَا لَا تَفۡعَلُونَ ﴿3﴾

Zavatra mamoa-pady eo anatrehan’I Allah tokoa ny fitenenanareo izay tsy ataonareo.

إِنَّ ٱللَّهَ یُحِبُّ ٱلَّذِینَ یُقَـٰتِلُونَ فِی سَبِیلِهِۦ صَفࣰّا كَأَنَّهُم بُنۡیَـٰنࣱ مَّرۡصُوصࣱ ﴿4﴾

Tian’I Allah izay miady amin’ny lalany, milahatra, mifanery tahaka ny mandà nohamafisina.

وَإِذۡ قَالَ مُوسَىٰ لِقَوۡمِهِۦ یَـٰقَوۡمِ لِمَ تُؤۡذُونَنِی وَقَد تَّعۡلَمُونَ أَنِّی رَسُولُ ٱللَّهِ إِلَیۡكُمۡۖ فَلَمَّا زَاغُوۤا۟ أَزَاغَ ٱللَّهُ قُلُوبَهُمۡۚ وَٱللَّهُ لَا یَهۡدِی ٱلۡقَوۡمَ ٱلۡفَـٰسِقِینَ ﴿5﴾

Ary rehefa niteny tamin’ny vahoakany i Mosesy hoe : Ry vahoakako ! Nahoana no manao ratsy ahy ianareo, nefa fantatrareo, fa irak’I Allah ho eo aminareo aho ? ka rehefa nivily lalana izy ireo dia navilin’Allah ny fony, fa tsy mitari-dalana ireo ratsy fitondran-tena Allah.

وَإِذۡ قَالَ عِیسَى ٱبۡنُ مَرۡیَمَ یَـٰبَنِیۤ إِسۡرَ ٰ⁠ۤءِیلَ إِنِّی رَسُولُ ٱللَّهِ إِلَیۡكُم مُّصَدِّقࣰا لِّمَا بَیۡنَ یَدَیَّ مِنَ ٱلتَّوۡرَىٰةِ وَمُبَشِّرَۢا بِرَسُولࣲ یَأۡتِی مِنۢ بَعۡدِی ٱسۡمُهُۥۤ أَحۡمَدُۖ فَلَمَّا جَاۤءَهُم بِٱلۡبَیِّنَـٰتِ قَالُوا۟ هَـٰذَا سِحۡرࣱ مُّبِینࣱ ﴿6﴾

Fa rehefa niteny i Jesoa zanak’i Maria hoe : Ry zanak’israely ! Irak’I Allah ho anareo tokoa aho, manamarina izany ny teo alohako ao amin’ny Taoraty, sady mpilaza mialoha ilay Iraka ho avy aoriako, antsoina hoe “Ahmad” ka rehefa ho tonga eo amin’izy ireo miaraka amin’ny porofo mazava izy, dia hoy ireo : Izany no majika miharihary.

وَمَنۡ أَظۡلَمُ مِمَّنِ ٱفۡتَرَىٰ عَلَى ٱللَّهِ ٱلۡكَذِبَ وَهُوَ یُدۡعَىٰۤ إِلَى ٱلۡإِسۡلَـٰمِۚ وَٱللَّهُ لَا یَهۡدِی ٱلۡقَوۡمَ ٱلظَّـٰلِمِینَ ﴿7﴾

Ary iza no mpanao ny tsy rariny indrindra, mihoatra izay mamoron-dainga hanoherana an’I Allah, kanefa dia nantsoina ho amin’ny fankatoavana (Islam) ? Ary tsy mitari-dalana ny olona mpanao tsy rariny Allah.

یُرِیدُونَ لِیُطۡفِـُٔوا۟ نُورَ ٱللَّهِ بِأَفۡوَ ٰ⁠هِهِمۡ وَٱللَّهُ مُتِمُّ نُورِهِۦ وَلَوۡ كَرِهَ ٱلۡكَـٰفِرُونَ ﴿8﴾

Te-hamono ny hazavan’I Allah amin’ny vavany izy ireo, kanefa vao maika mampiseho ny fahazavan'I Allah, na dia mankahala izany aza ireo tsy mpino.

هُوَ ٱلَّذِیۤ أَرۡسَلَ رَسُولَهُۥ بِٱلۡهُدَىٰ وَدِینِ ٱلۡحَقِّ لِیُظۡهِرَهُۥ عَلَى ٱلدِّینِ كُلِّهِۦ وَلَوۡ كَرِهَ ٱلۡمُشۡرِكُونَ ﴿9﴾

Izy no nandefa ny Irany niaraka tamin’ny tari-dalana, sy ny finoana marina, mba hametrahany azy ho eo ambonin’ny finoana hafa rehetra, na dia mankahala izany aza ireo mpampitambatra an’I Allah amin’ny hafa.

یَـٰۤأَیُّهَا ٱلَّذِینَ ءَامَنُوا۟ هَلۡ أَدُلُّكُمۡ عَلَىٰ تِجَـٰرَةࣲ تُنجِیكُم مِّنۡ عَذَابٍ أَلِیمࣲ ﴿10﴾

O ianareo mpino !Hatoroko anareo va, ny varotra izay hanavotra anareo amin’ny famaizana mamirifiry ?

تُؤۡمِنُونَ بِٱللَّهِ وَرَسُولِهِۦ وَتُجَـٰهِدُونَ فِی سَبِیلِ ٱللَّهِ بِأَمۡوَ ٰ⁠لِكُمۡ وَأَنفُسِكُمۡۚ ذَ ٰ⁠لِكُمۡ خَیۡرࣱ لَّكُمۡ إِن كُنتُمۡ تَعۡلَمُونَ ﴿11﴾

Mino an’Allah sy ny Irany ianareo, ary manao fiezahana amin’ny alalan’ny fanananareo, sy ny tenanareo amin’ny làlan’Allah, izany no tsara ho anareo, raha mba fantatrareo !

یَغۡفِرۡ لَكُمۡ ذُنُوبَكُمۡ وَیُدۡخِلۡكُمۡ جَنَّـٰتࣲ تَجۡرِی مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَـٰرُ وَمَسَـٰكِنَ طَیِّبَةࣰ فِی جَنَّـٰتِ عَدۡنࣲۚ ذَ ٰ⁠لِكَ ٱلۡفَوۡزُ ٱلۡعَظِیمُ ﴿12﴾

Hamela ny fahotanareo Izy ary hampiditra anareo amin’ny zaridaina misy renirano mikoriana eo ambaniny sy fonenana mahafinaritra ao amin’ny zaridainan’i Edena. Izany no fahombiazana lehibe.

وَأُخۡرَىٰ تُحِبُّونَهَاۖ نَصۡرࣱ مِّنَ ٱللَّهِ وَفَتۡحࣱ قَرِیبࣱۗ وَبَشِّرِ ٱلۡمُؤۡمِنِینَ ﴿13﴾

Ary zavatra hafa tianareo ihany koa dia ny famonjena avy amin’Allah sy fandresena tsy ho ela. Ka lazao amin’ireo mpino ny vaovao tsara.

یَـٰۤأَیُّهَا ٱلَّذِینَ ءَامَنُوا۟ كُونُوۤا۟ أَنصَارَ ٱللَّهِ كَمَا قَالَ عِیسَى ٱبۡنُ مَرۡیَمَ لِلۡحَوَارِیِّـۧنَ مَنۡ أَنصَارِیۤ إِلَى ٱللَّهِۖ قَالَ ٱلۡحَوَارِیُّونَ نَحۡنُ أَنصَارُ ٱللَّهِۖ فَـَٔامَنَت طَّاۤىِٕفَةࣱ مِّنۢ بَنِیۤ إِسۡرَ ٰ⁠ۤءِیلَ وَكَفَرَت طَّاۤىِٕفَةࣱۖ فَأَیَّدۡنَا ٱلَّذِینَ ءَامَنُوا۟ عَلَىٰ عَدُوِّهِمۡ فَأَصۡبَحُوا۟ ظَـٰهِرِینَ ﴿14﴾

Ianareo mpino ! Aoka ianareo ho mpiandany amin’Allah, tahaka ny tenin’i Jesoa zanak’i Maria tamin’ireo apôsitôly hoe : Iza no mpiandany amin'Allah miaraka amiko? Hoy ireo apôsitôly namaly : Mpiandany amin’Allah izahay. Nino izany ny andiany tamin’ireo zanak’Israely, fa tsy nino izany kosa ny andiany hafa. Notohananay ireo mpino mba hanohitra ny fahavalony, ka nahazo fandresena izy ireo.