Main pages

Surah The Hypocrites [Al-Munafiqoon] in Malagasy

Surah The Hypocrites [Al-Munafiqoon] Ayah 11 Location Madinah Number 63

إِذَا جَاۤءَكَ ٱلۡمُنَـٰفِقُونَ قَالُوا۟ نَشۡهَدُ إِنَّكَ لَرَسُولُ ٱللَّهِۗ وَٱللَّهُ یَعۡلَمُ إِنَّكَ لَرَسُولُهُۥ وَٱللَّهُ یَشۡهَدُ إِنَّ ٱلۡمُنَـٰفِقِینَ لَكَـٰذِبُونَ ﴿1﴾

Rehefa tonga eo aminao ireo mpihatsaravelatsihy dia hoy izy ireo : Ekenay, fa Irak’I Allah tokoa ianao ; fantatr’I Allah fa tena irany ianao ; ary manamafy Allah, fa mpandainga ireo mpihatsaravelatsihy.

ٱتَّخَذُوۤا۟ أَیۡمَـٰنَهُمۡ جُنَّةࣰ فَصَدُّوا۟ عَن سَبِیلِ ٱللَّهِۚ إِنَّهُمۡ سَاۤءَ مَا كَانُوا۟ یَعۡمَلُونَ ﴿2﴾

Ataon’izy ireo ampinga ny fianianany, ka misakana ny lalan’Allah izy ireo. Tena ratsy tokoa izay nataony!

ذَ ٰ⁠لِكَ بِأَنَّهُمۡ ءَامَنُوا۟ ثُمَّ كَفَرُوا۟ فَطُبِعَ عَلَىٰ قُلُوبِهِمۡ فَهُمۡ لَا یَفۡقَهُونَ ﴿3﴾

Izany dia satria nino izy ireo, ary nandà indray ny finoana, ka voahidy ny fony, ary tsy mahafantatra na inona na inona izy ireo.

۞ وَإِذَا رَأَیۡتَهُمۡ تُعۡجِبُكَ أَجۡسَامُهُمۡۖ وَإِن یَقُولُوا۟ تَسۡمَعۡ لِقَوۡلِهِمۡۖ كَأَنَّهُمۡ خُشُبࣱ مُّسَنَّدَةࣱۖ یَحۡسَبُونَ كُلَّ صَیۡحَةٍ عَلَیۡهِمۡۚ هُمُ ٱلۡعَدُوُّ فَٱحۡذَرۡهُمۡۚ قَـٰتَلَهُمُ ٱللَّهُۖ أَنَّىٰ یُؤۡفَكُونَ ﴿4﴾

Fa rehefa mahita azy ireo ianao, dia ho sodokan’ny vatany ; ary raha miteny izy ireo, dia henoinao ny teniny. Tahaka ny kitay miankina izy ireo, ka heveriny ho famelezana azy avokoa ny hiaka rehetra. Izy ireo no fahavalo, koa mitandrema àry ianao amin’izy ireo. Handringana azy ireo anie Allah ! Fa indro mivily lalana izy ireo.

وَإِذَا قِیلَ لَهُمۡ تَعَالَوۡا۟ یَسۡتَغۡفِرۡ لَكُمۡ رَسُولُ ٱللَّهِ لَوَّوۡا۟ رُءُوسَهُمۡ وَرَأَیۡتَهُمۡ یَصُدُّونَ وَهُم مُّسۡتَكۡبِرُونَ ﴿5﴾

Ary rehefa ilazana izy ireo hoe : Tongava ianareo mba hangatahan’ny irak’Allah famelana ho anareo, ahodin’izy ireo anefa ny lohany, ary hitanao mihataka izy ireo sady mirehareha.

سَوَاۤءٌ عَلَیۡهِمۡ أَسۡتَغۡفَرۡتَ لَهُمۡ أَمۡ لَمۡ تَسۡتَغۡفِرۡ لَهُمۡ لَن یَغۡفِرَ ٱللَّهُ لَهُمۡۚ إِنَّ ٱللَّهَ لَا یَهۡدِی ٱلۡقَوۡمَ ٱلۡفَـٰسِقِینَ ﴿6﴾

Mitovy ihany, na mangataka famelana ho azy ireo ianao, na tsy manao izany ; fa tsy hamela heloka azy ireo mihitsy Allah satria hamafisina, fa tsy mitari-dalana ireo ratsy fitondran-tena Allah.

هُمُ ٱلَّذِینَ یَقُولُونَ لَا تُنفِقُوا۟ عَلَىٰ مَنۡ عِندَ رَسُولِ ٱللَّهِ حَتَّىٰ یَنفَضُّوا۟ۗ وَلِلَّهِ خَزَاۤىِٕنُ ٱلسَّمَـٰوَ ٰ⁠تِ وَٱلۡأَرۡضِ وَلَـٰكِنَّ ٱلۡمُنَـٰفِقِینَ لَا یَفۡقَهُونَ ﴿7﴾

Izy ireo ihany no miteny hoe : Aza manao fandaniana ho an’izay eo akaikin’ny Irak’Allah mihitsy ianareo mba hiparitahan’izy ireo. Kanefa an’Allah ireo tahiry sarobidin’ny lanitra sy ny tany, saingy tsy fantatr’ireo mpihatsaravelatsihy izany.

یَقُولُونَ لَىِٕن رَّجَعۡنَاۤ إِلَى ٱلۡمَدِینَةِ لَیُخۡرِجَنَّ ٱلۡأَعَزُّ مِنۡهَا ٱلۡأَذَلَّۚ وَلِلَّهِ ٱلۡعِزَّةُ وَلِرَسُولِهِۦ وَلِلۡمُؤۡمِنِینَ وَلَـٰكِنَّ ٱلۡمُنَـٰفِقِینَ لَا یَعۡلَمُونَ ﴿8﴾

Hoy izy ireo : raha miverina any Madina izahay dia tsy maintsy havoakan’izay matanjaka avy ao izay osa. Kanefa an’Allah sy ny Irany, ary ireo mpino ny hery fa saingy tsy fantatr’ireo mpihatsaravelatsihy izany.

یَـٰۤأَیُّهَا ٱلَّذِینَ ءَامَنُوا۟ لَا تُلۡهِكُمۡ أَمۡوَ ٰ⁠لُكُمۡ وَلَاۤ أَوۡلَـٰدُكُمۡ عَن ذِكۡرِ ٱللَّهِۚ وَمَن یَفۡعَلۡ ذَ ٰ⁠لِكَ فَأُو۟لَـٰۤىِٕكَ هُمُ ٱلۡخَـٰسِرُونَ ﴿9﴾

Fa ianareo mpino ! Aoka tsy hanelingelina anareo amin’ny fahatsiarovana an’Allah ny fanananareo sy ny zanakareo.Ary na iza na iza manao izany dia izy ireo no maty antoka.

وَأَنفِقُوا۟ مِن مَّا رَزَقۡنَـٰكُم مِّن قَبۡلِ أَن یَأۡتِیَ أَحَدَكُمُ ٱلۡمَوۡتُ فَیَقُولَ رَبِّ لَوۡلَاۤ أَخَّرۡتَنِیۤ إِلَىٰۤ أَجَلࣲ قَرِیبࣲ فَأَصَّدَّقَ وَأَكُن مِّنَ ٱلصَّـٰلِحِینَ ﴿10﴾

Fa manaova fandaniana amin’izay natolotray ho anareo, mialohan’ny hahatongavan’ny fahafatesana amin'iray aminareo, ka hiteny hoe : Tompo ô ! raha mba nomenao fe-potoana kely mantsy aho dia ho nanao fanomezana ary ho isan’ireo olo-mendrika.

وَلَن یُؤَخِّرَ ٱللَّهُ نَفۡسًا إِذَا جَاۤءَ أَجَلُهَاۚ وَٱللَّهُ خَبِیرُۢ بِمَا تَعۡمَلُونَ ﴿11﴾

Tsy manome fe-potoana ho an’izay olona efa tonga eo amin’ny fetr’androny mihitsy anefa Allah. Fa mahafantatra tanteraka izay ataonareo Izy.