Main pages

Surah The Cleaving [AL-Infitar] in Malagasy

Surah The Cleaving [AL-Infitar] Ayah 19 Location Makkah Number 82

إِذَا ٱلسَّمَاۤءُ ٱنفَطَرَتۡ ﴿1﴾

Rehefa hitresaka ny lanitra,

وَإِذَا ٱلۡكَوَاكِبُ ٱنتَثَرَتۡ ﴿2﴾

Rehefa hianjera hiparitaka ireo kintana.

وَإِذَا ٱلۡبِحَارُ فُجِّرَتۡ ﴿3﴾

Rehefa hisafotofoto ka ho iray ireo ranomasina,

وَإِذَا ٱلۡقُبُورُ بُعۡثِرَتۡ ﴿4﴾

rehefa ho fongarina ny fasana.

عَلِمَتۡ نَفۡسࣱ مَّا قَدَّمَتۡ وَأَخَّرَتۡ ﴿5﴾

dia ho fantatra ny fanahy tsirairay avy ny nataony sy izay hiandry azy!

یَـٰۤأَیُّهَا ٱلۡإِنسَـٰنُ مَا غَرَّكَ بِرَبِّكَ ٱلۡكَرِیمِ ﴿6﴾

O ry olombelona! Inona loatra no nahavoafitaka anareo ka tsy nankatoavanareo ny Tomponareo feno fahamendrehana?

ٱلَّذِی خَلَقَكَ فَسَوَّىٰكَ فَعَدَلَكَ ﴿7﴾

Izay nahary anao sy nandrafitra anao ho feno ary nanome endrika mirindra ho anao,

فِیۤ أَیِّ صُورَةࣲ مَّا شَاۤءَ رَكَّبَكَ ﴿8﴾

Ary tamin'ny endrika isan-karazany araka izay tiany no nandrafetany anao,

كَلَّا بَلۡ تُكَذِّبُونَ بِٱلدِّینِ ﴿9﴾

Tsia! Indrisy anefa fa nolavinareo ny fisian'ny fitsarana farany.

وَإِنَّ عَلَیۡكُمۡ لَحَـٰفِظِینَ ﴿10﴾

Nefa misy marina ireo mpanara-maso anareo,

كِرَامࣰا كَـٰتِبِینَ ﴿11﴾

dia ireo anjely mpanoratra be voninahitra.

یَعۡلَمُونَ مَا تَفۡعَلُونَ ﴿12﴾

mahafantatra izay ataonareo.

إِنَّ ٱلۡأَبۡرَارَ لَفِی نَعِیمࣲ ﴿13﴾

tena marina, fa ireo izay feno fankatoavana an'I Allah dia ho ao anatin'ny fiadanana tanteraka,

وَإِنَّ ٱلۡفُجَّارَ لَفِی جَحِیمࣲ ﴿14﴾

ary ireo mpaniratsira kosa dia ho ao anatin'ny Afo be,

یَصۡلَوۡنَهَا یَوۡمَ ٱلدِّینِ ﴿15﴾

hatsipy ao izy ireo amin'ny Andro farany,

وَمَا هُمۡ عَنۡهَا بِغَاۤىِٕبِینَ ﴿16﴾

ary tsy hiala ao mihitsy izy ireo mandrakizay,

وَمَاۤ أَدۡرَىٰكَ مَا یَوۡمُ ٱلدِّینِ ﴿17﴾

Moa fantatrao ve ny mikasika izany andro fitsarana izany?

ثُمَّ مَاۤ أَدۡرَىٰكَ مَا یَوۡمُ ٱلدِّینِ ﴿18﴾

Moa tsy fantatrao ve ny mikasika izany andro fitsarana izany?

یَوۡمَ لَا تَمۡلِكُ نَفۡسࣱ لِّنَفۡسࣲ شَیۡـࣰٔاۖ وَٱلۡأَمۡرُ یَوۡمَىِٕذࣲ لِّلَّهِ ﴿19﴾

Andro, izay tsy hananan'ny fanahy fahefana amin'ny fanahy hafa na dia kely aza, satria ny fahefana rehetra amin'izany dia eo am-pelan-tanan'I Allah .