Main pages

Surah The morning star [At-Tariq] in Malagasy

Surah The morning star [At-Tariq] Ayah 17 Location Makkah Number 86

وَٱلسَّمَاۤءِ وَٱلطَّارِقِ ﴿1﴾

Mianiana amin’ny lanitra, sy amin’ny kintana fitarik’andro Aho.

وَمَاۤ أَدۡرَىٰكَ مَا ٱلطَّارِقُ ﴿2﴾

Moa mba fantatrao va izany kintana fitarik’andro izany?

ٱلنَّجۡمُ ٱلثَّاقِبُ ﴿3﴾

Ilay kintana feno famirapiratana.

إِن كُلُّ نَفۡسࣲ لَّمَّا عَلَیۡهَا حَافِظࣱ ﴿4﴾

Eny! Tsy misy fanahy ka tsy manana mpiambina,

فَلۡیَنظُرِ ٱلۡإِنسَـٰنُ مِمَّ خُلِقَ ﴿5﴾

Koa tokony handinika ny olombelona, avy amin'inona tokoa moa no nahariana azy?

خُلِقَ مِن مَّاۤءࣲ دَافِقࣲ ﴿6﴾

Nohariana avy amin'ny ranon'aina mifantsitsitra izy.

یَخۡرُجُ مِنۢ بَیۡنِ ٱلصُّلۡبِ وَٱلتَّرَاۤىِٕبِ ﴿7﴾

izay mivoaka avy eo anelanelan'ny taolan-damosina sy ny tehezana.

إِنَّهُۥ عَلَىٰ رَجۡعِهِۦ لَقَادِرࣱ ﴿8﴾

tena marina fa Izy Allah dia mahafehy amin'ny fananganana azy amin'ny maty,

یَوۡمَ تُبۡلَى ٱلسَّرَاۤىِٕرُ ﴿9﴾

amin'ny Andro izay hamborahana ireo miafina rehetra tao am-po,

فَمَا لَهُۥ مِن قُوَّةࣲ وَلَا نَاصِرࣲ ﴿10﴾

ka tsy hananan'ny olombelona hery sy mpamonjy,

وَٱلسَّمَاۤءِ ذَاتِ ٱلرَّجۡعِ ﴿11﴾

Mianiana Aho amin'ny lanitra izay mampisy ny orana,

وَٱلۡأَرۡضِ ذَاتِ ٱلصَّدۡعِ ﴿12﴾

sy ny tany izay mampitsiry ireo zava-maniry,

إِنَّهُۥ لَقَوۡلࣱ فَصۡلࣱ ﴿13﴾

fa ny Koroany masina dia teny manavaka ny marina amin'ny lainga,

وَمَا هُوَ بِٱلۡهَزۡلِ ﴿14﴾

ary tsy vazivazy tsy misy fotony velively akory,

إِنَّهُمۡ یَكِیدُونَ كَیۡدࣰا ﴿15﴾

Mampiasa ny hafetsen-dratsiny tokoa izy ireo (ireo tsy mpino),

وَأَكِیدُ كَیۡدࣰا ﴿16﴾

Izaho koa anefa dia mamaly azy ireo ny amin'izany,

فَمَهِّلِ ٱلۡكَـٰفِرِینَ أَمۡهِلۡهُمۡ رُوَیۡدَۢا ﴿17﴾

Koa omeo fe-potoana ireo tsy mpino, fe-potoana kely ihany.