Main pages

Surah The Most High [Al-Ala] in Malagasy

Surah The Most High [Al-Ala] Ayah 19 Location Makkah Number 87

سَبِّحِ ٱسۡمَ رَبِّكَ ٱلۡأَعۡلَى ﴿1﴾

Ankalazao ny anaran'ny Tomponao, ilay Avo indrindra!

ٱلَّذِی خَلَقَ فَسَوَّىٰ ﴿2﴾

izay nahary sy nandavorary,

وَٱلَّذِی قَدَّرَ فَهَدَىٰ ﴿3﴾

Ilay nandahatra sy nitantana,

وَٱلَّذِیۤ أَخۡرَجَ ٱلۡمَرۡعَىٰ ﴿4﴾

Izay nampitsiry ny vilona,

فَجَعَلَهُۥ غُثَاۤءً أَحۡوَىٰ ﴿5﴾

ka nanao izany ho maina sy malazo avy eo,

سَنُقۡرِئُكَ فَلَا تَنسَىٰۤ ﴿6﴾

hampamakianay ianao mba tsy hanadino,

إِلَّا مَا شَاۤءَ ٱللَّهُۚ إِنَّهُۥ یَعۡلَمُ ٱلۡجَهۡرَ وَمَا یَخۡفَىٰ ﴿7﴾

afa-tsy izay sitrak'I Allah ho hadinonao ihany satria Izy no mahalala ny mibaribary sy izay miafina,

وَنُیَسِّرُكَ لِلۡیُسۡرَىٰ ﴿8﴾

Eny! Hotarihiko ianao ho any amin'ny lalan'ny fahamorana,

فَذَكِّرۡ إِن نَّفَعَتِ ٱلذِّكۡرَىٰ ﴿9﴾

Ary mampahatsiahiva ! Raha toa ka ilaina ny fampahatsiahivana.

سَیَذَّكَّرُ مَن یَخۡشَىٰ ﴿10﴾

fa hahatsiaro izany izay manam-pahatahorana

وَیَتَجَنَّبُهَا ٱلۡأَشۡقَى ﴿11﴾

Hanalavitra izany kosa ireo olon'ny fijaliana,

ٱلَّذِی یَصۡلَى ٱلنَّارَ ٱلۡكُبۡرَىٰ ﴿12﴾

izay ho dorana amin'ny afo be,

ثُمَّ لَا یَمُوتُ فِیهَا وَلَا یَحۡیَىٰ ﴿13﴾

avy eo dia sady tsy ho faty izy ireo ao no sady tsy ho velona ihany koa!

قَدۡ أَفۡلَحَ مَن تَزَكَّىٰ ﴿14﴾

Nahazo fandresena tokoa izay manadio ny tenany,

وَذَكَرَ ٱسۡمَ رَبِّهِۦ فَصَلَّىٰ ﴿15﴾

sy nahatsiaro ny anaran'ny Tompony ka nivavaka,

بَلۡ تُؤۡثِرُونَ ٱلۡحَیَوٰةَ ٱلدُّنۡیَا ﴿16﴾

nefa indrisy! Ankafizinareo kokoa ny fiainana ety an-tany,

وَٱلۡـَٔاخِرَةُ خَیۡرࣱ وَأَبۡقَىٰۤ ﴿17﴾

kanefa ny fiainana any ankoatra dia tsara lavitra no mandrakizay.

إِنَّ هَـٰذَا لَفِی ٱلصُّحُفِ ٱلۡأُولَىٰ ﴿18﴾

Izany rehetra efa voalaza tamin’ireo rakitsoratra Masina teo aloha,

صُحُفِ إِبۡرَ ٰ⁠هِیمَ وَمُوسَىٰ ﴿19﴾

dia ny rakitsoratr’i Abrahama sy ny an’i Mosesy