Settings
Surah The night [Al-Lail] in Malagasy
وَٱلَّیۡلِ إِذَا یَغۡشَىٰ ﴿1﴾
Mianiana Aho amin'ny alina mikitroka,
وَٱلنَّهَارِ إِذَا تَجَلَّىٰ ﴿2﴾
Amin'ny andro rehefa miposaka mamiratra izy,
وَمَا خَلَقَ ٱلذَّكَرَ وَٱلۡأُنثَىٰۤ ﴿3﴾
Amin'ny nahariana ny lahy sy ny vavy.
إِنَّ سَعۡیَكُمۡ لَشَتَّىٰ ﴿4﴾
Fa raha ny tena marina, ny asanareo dia samihafa,
فَأَمَّا مَنۡ أَعۡطَىٰ وَٱتَّقَىٰ ﴿5﴾
Ary ho an'ilay malala-tanana sy manam-patahorana an'I Allah.
وَصَدَّقَ بِٱلۡحُسۡنَىٰ ﴿6﴾
Ary manamarina ny fisian'ny valisoa tsara indrindra.
فَسَنُیَسِّرُهُۥ لِلۡیُسۡرَىٰ ﴿7﴾
Ary ho amorako ho azy ireo ny lalana mankany amin'ny fahamorana.
وَأَمَّا مَنۢ بَخِلَ وَٱسۡتَغۡنَىٰ ﴿8﴾
Fa ho an'ireo izay kahihitra sy miseho ho mahavita tena kosa.
وَكَذَّبَ بِٱلۡحُسۡنَىٰ ﴿9﴾
Ary mandà ny fisian'ny valisoa tsara indrindra,
فَسَنُیَسِّرُهُۥ لِلۡعُسۡرَىٰ ﴿10﴾
Dia ho amorako ho azy ireo ny lalana mankany amin'ny fahasarotana.
وَمَا یُغۡنِی عَنۡهُ مَالُهُۥۤ إِذَا تَرَدَّىٰۤ ﴿11﴾
Ary tsy hahavita na inona aminy ny hareny rehefa hatsipy ao anaty Afobe izy.
إِنَّ عَلَیۡنَا لَلۡهُدَىٰ ﴿12﴾
Tena adidinay tokoa ny fitarihana.
وَإِنَّ لَنَا لَلۡـَٔاخِرَةَ وَٱلۡأُولَىٰ ﴿13﴾
Anay tanteraka ny fiainana eto an-tany sy any ankoatra.
فَأَنذَرۡتُكُمۡ نَارࣰا تَلَظَّىٰ ﴿14﴾
Noho izany dia efa nampitandremako ilay afo milelalela ianareo.
لَا یَصۡلَىٰهَاۤ إِلَّا ٱلۡأَشۡقَى ﴿15﴾
Ka tsy handoro afa-tsy ireo voahozona,
ٱلَّذِی كَذَّبَ وَتَوَلَّىٰ ﴿16﴾
Dia izay tsy nino sy nandà izany.
وَسَیُجَنَّبُهَا ٱلۡأَتۡقَى ﴿17﴾
Ary hanalavitra izany kosa ny be fahatahorana an'i Tompo Allah.
ٱلَّذِی یُؤۡتِی مَالَهُۥ یَتَزَكَّىٰ ﴿18﴾
Dia izay manome ny hareny mba hanadiovana ny fanahiny,
وَمَا لِأَحَدٍ عِندَهُۥ مِن نِّعۡمَةࣲ تُجۡزَىٰۤ ﴿19﴾
Ary tsy misy na iza na iza eo anatrehany ka ahazo valim-pahasoavana.
إِلَّا ٱبۡتِغَاۤءَ وَجۡهِ رَبِّهِ ٱلۡأَعۡلَىٰ ﴿20﴾
Afa-tsy nohon'ny fikatsahana ny tavan'ny Tompony Avo indrindra irery ihany.
وَلَسَوۡفَ یَرۡضَىٰ ﴿21﴾
Eny ! Ho afa-po tsy ho ela izy.
English
Chinese
Spanish
Portuguese
Russian
Japanese
French
German
Italian
Hindi
Korean
Indonesian
Bengali
Albanian
Bosnian
Dutch
Malayalam
Romanian