Main pages

Surah The Fig [At-Tin] in Malagasy

Surah The Fig [At-Tin] Ayah 8 Location Makkah Number 95

وَٱلتِّینِ وَٱلزَّیۡتُونِ ﴿1﴾

Mianiana Aho amin'ny aviavy sy ny hazon'oliva.

وَطُورِ سِینِینَ ﴿2﴾

Sy amin'ny tendrombohitra Sinay.

وَهَـٰذَا ٱلۡبَلَدِ ٱلۡأَمِینِ ﴿3﴾

Amin'ity tanàna mandry fahalemana ity.

لَقَدۡ خَلَقۡنَا ٱلۡإِنسَـٰنَ فِیۤ أَحۡسَنِ تَقۡوِیمࣲ ﴿4﴾

Fa noharianay ho tonga lafatra tokoa ny olombelona.

ثُمَّ رَدَدۡنَـٰهُ أَسۡفَلَ سَـٰفِلِینَ ﴿5﴾

Ary naverinay any amin'ny farany ambany indrindra.

إِلَّا ٱلَّذِینَ ءَامَنُوا۟ وَعَمِلُوا۟ ٱلصَّـٰلِحَـٰتِ فَلَهُمۡ أَجۡرٌ غَیۡرُ مَمۡنُونࣲ ﴿6﴾

afa-tsy izay nino sy nanao asa soa no tsy hitsahatra ka hahazo valisoa tsy manam-petra.

فَمَا یُكَذِّبُكَ بَعۡدُ بِٱلدِّینِ ﴿7﴾

Koa raha izany ary, inona no andainganao ny Andro farany ?

أَلَیۡسَ ٱللَّهُ بِأَحۡكَمِ ٱلۡحَـٰكِمِینَ ﴿8﴾

Moa tsy Allah va no mpitsara mendrika indrindra?